Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
Toko faha-3
14 Manoratra izany aminao aho, na dia manantena hankaty aminao faingana aza,15 satria amin'izay, raha tàhiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, dia ny Eglizin'Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan'ny marina. 16 Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy, niseho tamin'ny anjely, notorina tany amin'ny jentily, ninoana tamin'izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.